<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>306</hymn_number>
<title>Mamafaza voa, ka aza mba malaina FFPM306</title>
<lyrics>[V1]
 Mamafaza voa,
 ka aza mba malaina
 Fa tsy fantatrao re
 izay ho vanona
 Na amin'ny hariva,
 na amin'ny maraina
 Mamafaza voa,
 tsy mijanona.
 Matokia re,
 matokia re,
 Hisy amboara,
 ho anao anie !

[V2]
 Mamafaza voa
 amin'ny mahantra,
 Ka aza mba mifidy
 izay hasian-tsoa ;
 Fa ny fo mazoto
 sady feno antra
 Dia homen'ny Tompo
 valisoa tokoa,
 Matokia re, ..sns.

[V3]
 Mamafaza voa
 amin'ny malemy,
 Ary mba ampio izay
 reraka ao am-po ;
 Asehoy Jesosy
 loharanon-kery,
 Ao no anovozy
 izay ilain'ny fo.
 Matokia re, ..sns.

[V4]
 Miasà sakaiza !
 milofosa tsara
 Dieny misy asa
 azonao atao ;
 Matahora sao
 tsy vita ilay anjara
 Izay napetraky
 ny Tompo aminao
 Matokia re, ..sns.</lyrics>
<author>G.A. Minor</author>
</song>